Hebrews 2

1Noho izany isika dia tsy maintsy mitandrina bebe kokoa amin’izay rentsika, mba tsy hanara-drenirano amin’izany isika.

2Fa raha marina ny hafatra izay notenenina tamin’ny alalan’ireo anjely, ary ny fandikan-dalàna rehetra sy ny tsy fankatoavana dia mandray sazy ara-drariny, 3dia ahoana ary no hafahantsika mandositra raha tsy miraharaha izany famonjena lehibe loatra izany isika? Io no famonjena izay nambaran’ny Tompo voalohany sy namafisin’ireo izay nandre izany tamintsika. 4Tamin’io fotoana io ihany Andriamanitra dia nanaporofo izany tamin’ny famantarana, fahagagana, ary asa mahery samihafa, ary tamin’ny fizarana ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina araka ny sitrapony.

5Fa tsy tamin’ny anjely no nampaneken’ Andriamanitra izao tontolo izao ho avy, momba izay resahantsika. 6Fa kosa, nisy olona nijoro vavolombelona an’izany tany ho any, manao hoe: “Inona ny olona, no misaina azy ianao? Na ny zanak’olona, no mikarakara azy ianao?

7Ianao dia nanao ny olona ambany kely noho ireo anjely; nosatrohinao satro-boninahitra tamin’ny voninahitra sy dera izy. [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany taloha dia miampy hoe: “Ary ianao nametraka azy ambonin’ireo asan’ny tananao.”] 8Ny zavatra rehetra dia nampanekenao eo ambanin’ ny tongony.” Fa ho azy no nampaneken’ Andriamanitra ny zavatra rehetra. Tsy namela na inona na inona izy ka tsy nampanekeny azy. Fa ankehitriny isika dia tsy mbola mahita ny zavatra rehetra nampanekena azy.

9Fa isika mahita ilay iray izay nataony ambany noho ireo anjely nandritry ny fotoana fohy: Jesosy, izay, nohon’ny fijaliany sy ny fahafatesany, dia nosatrohina satro-boninahitra tamin’ny voninahitra sy dera. Ka ankehitriny tamin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nanandramany ny fahafatesana ho an’ny olona rehetra. 10Fa mety amin’Andriamanitra izany, satria ny zavatra rehetra dia misy ho Azy ary amin’ny alalany, mba hitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra. Mety aminy ny hahatonga ny mpitarika ny famonjena azy ireo ho feno amin’ny alalan’ny fijaliany.

11Fa na ny olona izay manamasina na ireo izay voamasina dia manana loharano iray. Noho izany dia tsy menatra miantso azy ireo hoe rahalahy Izy. 12Hoy Izy hoe: “Hanambara ny anaranao amin’ireo rahalahiko Aho, hihira ny momba anao avy ao anatin’ny fivondronana Aho.”

13Ary koa, ‘’Hatoky azy aho.” Ary koa: “Indro, eto aho sy ireo zanaka izay nomen’Andriamanitra ahy.” 14Noho izany, satria nofo aman-drà ireo zanak’Andriamanitra, dia nizara zavatra toy izany niaraka tamin’izy ireo ihany koa Jesosy, mba ho amin’ny alalan’ny fahafatesana no hanafoanany ny iray izay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly izany. 15Izany dia mba hanafahany ireo rehetra izay nohon’ny tahotra ny fahafatesana dia niaina ny fiainan’izy rehetra ireo tao amin’ny fanandevozana.

16Fa mazava ho azy fa tsy ireo anjely no vonjeny; fa kosa, ny taranak’i Abrahama. 17Noho izany dia mendrika Azy ny atao tahaka ireo rahalahiny amin’ny fomba rehetra, mba ho mpisoronabe feno famindram-po sy fahatokisana Izy amin’ny fifandraisana amin’ireo zavatr’ Andriamanitra, ary mba hitondra momban’ny famelana ireo fahotan’ny olona. Satria Jesosy mihintsy no nijaly sy nalaina fanahy, dia afaka manampy ireo izay alaim-panahy Izy.

18

Copyright information for PltULB